1 Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah , no anandratako ny fanahiko.

2 Andriamanitro , Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho.

3 Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra.

4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ; ampianaro ny sitrakao aho.

5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.

6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah , fa hatrizay hatrizay ireny.

7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ,

8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.

9 Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.

10 Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.

11 Noho ny anaranao, Jehovah , dia mamel ny heloko, fa lehibe izany.

12 Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.

13 Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany.

14 Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy.

15 Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato.

16 Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra.

17 Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho.

18 Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamel ny fahotako rehetra.

19 Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalny ahy.

20 Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao.

21 Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho.

22 Andriamanitra , afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra.
<PIXTEL_MMI_EBOOK_2005>15                                                          </PIXTEL_MMI_EBOOK_2005>